Vavaky ny APSE

Vavaky ny sehatrasam-pamonjena sosialy sy ekolojika

Ry Andriamanitra loharanon’ny soa rehetra : misaotra anao izahay noho ny fahasoavana maro nasehonao sy narotsakao taminay tsirairay avy, tamin’ny Fikambanan’I Jesoa, tamin’ny Fiangonanao sy ny Firenenay ary tamin’izao tontolo izao. Lehibe indrindra amin’izany ny fanehoanao ny fisianao Ray, Zanaka, Fanahy masina sy ny finoanay vokatr’izany. Ho tandrovanay sy ampamokarinay hatrany anie io finoana nomenao io ho Voninahitrao lehibe indrindra sy ho fideranay ny anaranao. Ho lonaka anie ny fo amam-panahinay hiombona amin’I Kristy Zanakao, ilay Teninao tonga nofo, nanolo-tena sy nahafoy ny ainy ho anay teo amin’ny Hazo fijaliana fa nitsangan-ko velona nandresy ny ratsy rehetra. Izy no famonjena ho anay. Noho ny Fanahy masina nomeny anay miaraka amin’ny sakramenta natolony dia hiroso izahay hijoro ho vavolombelony sy hanoy ny asany.

Koa indreto izahay Mpino anao sy ireo Namanay tsara sitrapo rehetra miaraka amin’ny Fiangonana manontolo, mitoky amin’ny fahasoavanao. Ho heniky ny tso-dranonao anie izahay tsirairay avy, ireo Tomponandraikitra ara-pinoana sy ara-panjakana ary ny Mpiara monina tsy misy ankanavaka, hahatsapa hatrany fa be Fitiavana ianao.

Ezaka anehoana izany ny fikatrohanay mampanjaka ny rariny sy ny hitsiny, araky ny fampianaran’ny Evanjely, ho fanatsarana : ny fiainanay manokana sy ny an’ny fianakavianay, ny asanay, ny fiaraha-monina misy anay, ny tany onenanay sy ny taranakay, ny tontonlo iainanay ary izao tontolo izao. Vonona izahay ry Ray: hahafoy tena ho an’ny hafa – handà ny lainga sy ny fitiavan-tena ary ny herisetra, handrafitra fiaraha-monina hanjakan’ny fifankatiavana sy fifampitokisana ary fifanajana. Hitandro hatrany ny zo sy ny hasin’ny olombelona tsirairay avy ary hahay hikolo ity trano be iombonana ankininao aminay ity.

Miaraka amin’i masina Maria sy masindahy Josefa ary ireo olomasina sy olon-tsambatra manotrona anao no hanandratanay izany vavaka izany, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay sy tia anay, Izy ilay velona sy manjaka miaraka Aminao sy ny Fanahy masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen

La prière des domaines de secours sociaux et écologiques

Disponible bientôt

The prayer of social and ecological rescue sectors

Comming soon
Translate »