ECHOS ARRUPE 11

Elections, paix et sécurité

Lorem ipsum dolor sit amet, consectetur adipiscing elit. Ut elit tellus, luctus nec ullamcorper mattis, pulvinar dapibus leo.

Miarahaba antsika mpamaky mahafatrapo ny Echos Arrupe sy ireo izay vao misantatra izany amin’ity laharana ity. Miova kely amin’ny mahazatra isika amin’ity indray mitoraka ity fa natao teny malagasy ny Matohandahatsoratra. Tsy dia misy antony manokana akory fa teny fampiasa entina mampita hevitra ihany koa ny teny malagasy ary tsy vitsy ny mpanoratra amin’ity laharana ity no nampiasa izany.

Ny fifidianana no lohahevitra nosafidina. Tsara ampahatsiahivina antsika fa ny Ivontoerana Arrupe, Centre Arrupe Madagascar (CA MDG), izay tompon’ity gazety boky ity, dia foibe fikarohana sy fiofanana. Noho izany ireo lahatsoratra rehetra ato dia mifototra sy mikendry ny ho amin’izany. Rehefa nifidy ny ho tany repoblikana isika eto Madagasikara dia manaraka ny demokrasia ho fomba hametrahana ny mpitondra, ary efa ela no nisy fifidianana teto amintsika, maherin’ny 60 taona, saingy mbola tsy ananantsika traikefa amin’ny tsara mba ho tena marim-pototra ny fizotry ny fifidianana eto amintsika. Dia ny fanomezana fahalalahana ny vahoaka hifidy izay tiany hitantana ny firenena sy ny fanajana izany safidiny izany. Lasa tsy soa toavina faratampony ny safidim-bahoaka rehefa iniana tsy hajaina ny safidiny amin’ny alalan’ny tetika feno halatra sy fitaka mialoha, mandritra ary aorian’ny fandatsahambato. Tena nisy ary mbola misy io paipaikady tsy madio io, mba hahalany mpifaninana iray amin’ireo milatsaka ho fidina, ka toa zary sarintsarim-pifidianana no misy fa tsy tena fifidianana fampiharana ny fahalalahana sy fanajana ny safidy.

« Ny marina dia manafaka sy mampiadana » … Hoy andriamatoa Judicaël ao amin’ny lahatsorany ary saika hahitana izany hetahetam-pahamarinana sy rariny ary hitsiny izany avokoa ny ankabeazan’ny lahatsoratra ho hitantsika ato. Iarahantsika mahalala fa te hametraka tany tan-dalàna isika ka ny fanajana ny lalàna velona dia tafiditra ao anatin’ny atao hoe marina, rariny ary hitsiny. Tsy ampy anefa ny hoe ara-dalàna sy manaiky ny lalàna hifampifehezana fa tsy maintsy miaraka aminy ny fametrahana rafitra sy olona mampanjaka azy izany. Mila olona sahaza azy ny rafitra, « The right man at the right place », mba ny endriny marina tokoa no mivoitra amin’ny fanapahankevitra raisiny izay manome haja ilay rafitra.

Olana iaraha-miaina sy voalaza ato anatin’ireo lahatsoratra hita ato ny ahiahy mipetraka amin’ireo tompon’ andraikitry ny rafitra mikarakara fifidianana satria toa tsy ny lalàna fa zavatra hafa no mibaiko ny fanapahan-keviny. Loza ho an’ny firenana izany satria mampihena na tena manimba tanteraka ny fahatokisan’ny vahoaka ilay rafitra ny fisehoan’ny toe-javatra toy izany. Misy elanelany be loatra eo amin’ny zavatra nianarana sy fantratr’ireo olona nanankinana ny rafitra ireo sy eo amin’ny fanapahan-kevitra raisiny ary ny fihetsika asehony.

Firenena iaraha-manana i Madagasikara ary iarahana koa ny mampandroso azy. Tena mbola lavitra anefa ny lalana hahazoantsika ny fiadanana sy fandrosoana marina. Kanefa tsy ny halavirany no tena manahirana fa ny fisafidianana ny lalana tena mankany amin’izay hetahetantsika mianakavy izay dia ny hoe « ho tany sambatra ilay Madagasikaranay ».

Voalazantsika tetsy aloha fa efa ela no nikarakarantsika fifidianana sy nanatanterahana izany saingy mbola lasa olana hatrany izy io rehefa tonga ny fotoam-pifidianana. Tsy mizotra amin’ny làlana tena izy isika fa toa mihodikondina foana, tsy mandray ny lesoka tany aloha hanintsiana ny ho avy.

Aiza ny vahaolana ? Ny fanaovana ny marina, ny fifampitaizantsika hanao ny marina ary ny fiarahantsika hiaro ny marina. Fa ny fanontaniana goavana iray koa dia ilay efa napetrak’i Pilaty tamin’i Jesoa, nandritra ny fitsarana Azy, hoe: « Inona ny marina ? » (Joany 18, 38). « Fisaka ny marina », hoy ireo ray amandreny razantsika tany aloha ka sarotra tadiavina, izany akory tsy midika hoe tsy misy na tsy fantatra ny marina, fa saro-tadiavina ary ny fomba iray hahitana azy dia ny fifanakalozan-kevitra satria ny hevitry ny maro mahatakadavitra.

Dia mirary ny hahitantsika ny soa sy ny tsara eo ampamakina ity laharana faha-11 ny Echos Arrupe ity ary hahay hifampizara sy hampita amin’ny hafa ny soa notovozinao teo ampamakiana azy. Samia ho tahin’Andriamanitra sy ho heniky ny fahasoavany isika rehetra.

Père Razafinandraina Noël Marie Cyprien, s.j.

Directeur du CA MDG

Translate »
Citer ce numéro

Résumé

APA Lorem ipsum dolor sit amet, consectetur adipiscing elit, sed do eiusmod tempor incididunt ut labore et dolore magna aliqua.

Résumé

MLA Lorem ipsum dolor sit amet, consectetur adipiscing elit, sed do eiusmod tempor incididunt ut labore et dolore magna aliqua.

Résumé

TURABIAN Lorem ipsum dolor sit amet, consectetur adipiscing elit, sed do eiusmod tempor incididunt ut labore et dolore magna aliqua.